airtel

Actualités

05-août-2021

Actualités

Zandarimariam-pirenena Tompon’andraikitra ambony roa nosoloina

Sample post image

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana tamin’ny 7 martsa 2019 ary manendry ny Kolonely Rakotonirina Lala Henri,

05-août-2021

ho Komandin’ny fanofanana manokana ny Zandarimaria na « Commandant des Formations Specialisées de Gendarmerie ». Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2018-781 tamin’ny 02 jolay 2018 ary manendry ny Kolonely Ralaibeza Hubert Claudion, ho « Inspecteur à l’inspection générale de la Gendarmerie ». Tombanana ho mety misy ifandraisany amin’ny raharaha fikasana ny famonoana ny Filoham-pirenena ireto fanapahan-kevitra ireto. Tafiditra ao anatin’ny raharaha, ary isan’ny naiditra am-ponja vonjimaika rahateo ny Kaomandin’ny GSIS (Groupe de Sécurité et d'interventions Spéciales), araka ny vaovao ofisialin’ny Fanjakana omaly. Olon’ny GSIS izay misy ireo mpitandro filaminana tsara hofana ho commando maromaro no voasaringotra,…. Tetsy ankilany, noraisina ihany koa ny didim-panjakana mikasika ny fanomezana « bonification d'ancienneté de port grade » mandritra ny telo volana ho an’ny Lieutenant Razanakotonirina Herimaminiaina, izay nampiseho ny Tahombiazany sy ny tahaiza-manaony tamin ny alalan’ireo asa nataony, ka nahafahana nisambotra an’i JARISONE na JERISON sy ireo mpiray tsikombakomba aminy miisa dimy. Izy ireto dia dahalo mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fangalarana sy anafenana ary famotsian’omby any amin’ny faritr’i Bealanana, Antsohihy sy Andapa. lo jiolahy raindahiny antsoina hoe JERISON io dia eta voasazy higadra mandritra ny fito taona tao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy tany amin’ny taona 2006, saingy nivoaka ny izy, dimy taona taorian’izay. Ny fanomezana valisoa toy izao dia mandrisika ireo mpiara-miasa mba hanatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo andraikiny, izay matetika mampidi-doza, hoy ny eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap