airtel

Actualités

13-avril-2023

Actualités

Zandary namono olona Nahazo sary izahay, hoy ny fianakaviana

Sample post image

Vato, vola, finday, safira no voaroban’ireo dahalo nanafika anay, hoy ny fianakavian’ireo niharam-boina vokatry ny

13-avril-2023

vono olona feno habibiana nitranga tao Amboasary atsimo nanazava ny zava-nitranga tetsy amin’ny Radama Hotel tetsy Isoraka omaly. Lehilahy iray antsoina hoe Chrétien, avy ao Ankazoabo, no voaendrikendrika ary nosamborina sy nafindra toerana taty Amboasary atsimo, hoy ny fanazavana. Olobe to teny antsoina hoe Mahalova no nanome fanampiana ireo lasibatry ny fanafihana. Rehefa nojerena koa anefa ny GPS an’ny fiara 4x4 nentiny dia voalaza fa izy no raindahin’ny dahalo. Nametraka fitoriana tao amin’ny kaomandin’ny kaompania izy, noho izany. Nahazo taratasy hisamborana an’i Chrétien noho ny fanalam-baraka azy ho dahalo i Mahalova. Rehefa voasambotra i Chrétien dia nentina tany Benentsy. Nihazakazaka ny sakaizany avy eo niantso zandary hilazana hoe nisy naka an-keriny i Chretien. Nandeha ny zandary. Niantso an’i Mahalova amin’ny maha raiamandreny azy ny manam-pahefana maro. Niteny i Mahalova hoe aleo fa averiko i Chrétien. Vory nandritry ny fizarana fanampiana avy amin’ny PAM ny vahoaka tamin’io fotoana io. Tonga ny zandary nanontany hoe aiza i Mahalova? Daroka avy eo no nahazo an’i Mahalova. Rehefa nalemy i Mahalova dia tonga teo ny zandriny dia nodarohana koa. Nankarina tanaty 4x4 an’ireo zandary i Mahalova sy ny zandriny avy eo. Zandary iray hafa nitondra ny 4x4 an’i Mahalova. Niala 100 metatra io fokontany io avy eo no nitifirana ho faty azy mirahalahy. Ny fanambarana nataon’ny zandary nefa dia hoe nisy fifampitifirana nefa tsy nisy an’izany akory. Tsy vitan’ny maty Itompokolahy Mahalova fa nalaina ny firavany. Nisy vola 4 tapitrisa Ariary tao anaty paosin’ny zandrin’i Mahalova dia nalain’ireo koa. Olona nifampitifitra ve dia tsy nahitana fitaovam-piadiana? Na ny mpampanoa lalana aza niaiky! Mangataka ny famerenana ny fananan’Itompokolahy Mahalova izahay na fiara na vola na firavaka na inona. Mangataka fanasaziana ireo zandary nahavanon-doza izahay. Misy sary ato aminay. Misy ny fomba famerenana ny fifampitokisan’ny zandary sy vahoaka na fampihavanana tokony atao any aminay any satria ny zandary indray izao no lasa atahorana noho ny dahalo, hoy hatrany ny fianakavian’ny niharam-boina sy fikambanan’ny terak’Androy omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap