distrikan’Atsimondrano eny. Ho an’Itaosy tampon-tanana kaominina Itaosy manokana raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia fantatra fa efa nanomboka tamin’ny Alakamisy teo ny rano no tapaka. Voatery manenjika faritra ambany misy vovo avokoa ny mponina vokatr’izany nefa ny andro tena mafana. Tafakatra 100 Ar no hividianan’ny mponina ny rano iray bidon miloko mavo raha ny fitarainana voaray hatrany. Mahatratra 10 bidon any ho any anefa vao ampy ny tokantrano iray isan’andro indrindra raha misy lamba sasana. Velon-taraina fatratra ny mponina vokatr’izany. Mikasika ny jiro indray dia vao omaly Alakamisy 25 Aprily hariva no tapaka nandritra ny ora iray teo ho eo indray ny jiro teo Andranonahoatra sy ny manodidina, mbola faritr’Itaosy ihany. Betsaka ireo tsy afaka nanokona sakafo avy hatrany vokatr’izany nefa efa reraka avy niasa fa tsy maintsy niandry ho an’ireo mampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra. Toraka izany koa ireo miasa amin’ny alalan’ny solosaina any an-tokantranony izay voatery nipetra-potsiny ihany koa….Nomarihin’ny mponin’Itaosy moa fa tahaka izao hatrany no fiandohan’ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny hataon’ny JIRAMA eny Itaosy eny. Miantso ny JIRAMA mba hitady vahaolana maharitra izy ireo noho izany hisorohana ny mety ho fahatezeram-bahoaka.
Pati
Legende : Atahorana hitokona tahaka ihany koa ny mponin’Itaosy raha mitohy izao !
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,