airtel

Actualités

29-juin-2023

Actualités

Zava-doza tany Ambatosoratra Ny ray aman-dreny variana nifety, zanaka efa maty ho hita

Sample post image

Nampalahelo sy nandratra fo ny zava-nitranga tao Ambatosoratra nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona teo.

29-juin-2023

Toy ireo olona sasany dia lasa namonjy ny fetin’ny 25 jona tany ivelan’ny tanàna ny Ray aman-dRenin’ireo zaza roa izay manodidina ny 2 sy 5 taona. Mpifankatia nivahiny tao amin’izy ireo no nametrahana ireo tsy manan-tsiny ireo ka lasa izy mivady. Zava-doza anefa no nitranga taorian’izay. Tsy hita tao an-trano ny iray tamin'ireo zaza natory ary voalaza fa efa lasa koa ireo mpifankatia niambina azy ireo. Nanomboka teo ny fikarohana ity farany ka tany Ankenihenibe manodidina ny 10 km atsinanana Antokazo kaominina Manakambahiny Antsinanana no nisy nahita ilay ramatoa izay nivahiny tao amin'ilay tokantrano. Ny talata 27 jona maraina teo kosa vao hita ilay zaza saingy efa vatana mangatsiaka tao anaty rano sisa. Hiakatra fampanoavana anio alakamisy ilay vahiny raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap