airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Zava mahadomelina teny Ampefiloha Roalahy iraitampo tratra teo akaikin’ny tranony

Sample post image

Tovolahy roa izay voalaza fa iraitampo no tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika tao an-tokantranony tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo.

03-avril-2023

21 taona sy 24 taona izy ireo, voasambotry ny mpitandro ny filaminana teo akaikin'ny tranony ihany. Mbola tratra teny amin'izy ireo nandritra izany ny seringue iray fampiasany amin’izao fomba ratsiny izao. Efa maro moa ny fitarainana vorain'ny Polisy mahakasika ireto tovolahy ireto hoy hatrany ny vaovao. Fantatra kosa fa tsy mahazo aina mihitsy izy roalahy ireto raha tsy mitsindrona tahaka izao isan’andro izany hoe : efa tena miankin-doha mihitsy. Efa manana mpamatsy mihitsy izy ireo ka ny tena mampanahy ny mponin’Ampefiloha dia ny hanomezany maodely ratsy ireo tovolahy mitovy taona aminy manodidina azy ka mety hampirongatra ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy iraitampo
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap