Ireo zava-marina mikiky an'i Madagasikara nefa vitsy mpiteny ampahibemaso ary somary nataon’ny Praiminisitra sarinteny moa izy ity saingy tena marina mihitsy ilay “constat” na zava-misy hoe misy hazo lehibe 40 isa eo ho eo eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra haivarotra amin’ny fampiasàna tekinolojia na «marketing digitale», Rija Randriamalalaniaina. Hazo sady avo no manana faka misandrahaka, hoy ity manam-pahaizana ity, ka maka ny hazavàna rehetra ary mitsentsitra ny tsiron’ny tany. Amin’ny maha olobe sy tomponandraikim-panjakàna azy anefa dia tsapa ihany fa misy zavatra tsy azony tenenina mivantana. Ho raisintsika adidy, noho izany, ny mitondra fanazavàna misimisy kokoa mba ampahiratra ny mason'ny malagasy. Iza moa ireo hazo lehibe 40? Ireo hazo lehibe ireo dia ireo vondron’orinasa vaventy izay mifehy ny toekarena eto Madagasikara. Orinasan'ireo mpanjanaka sy fianakaviana malagasy lehibe izy ireo hatramin’ny taona 1960 no natao «nationalisation» na fananam-panjakàna ny taona 1970 sy 1980 dia avy eo natao «privatisation» na an’ny sehatra tsy miankina tamin’ny vahiny taorian’ny PAS na «Programme d’Ajustement Structurel», izany hoe, fandaharan’asa ho an’ny fandrindràn-drafitra ny taona 1990 sy 2000. Inona no dikan’ilay hoe sady avo no misandrahaka? Midika izany fa sady misy "intégration horizontale" na fijerena anatiny no misy "intégration verticale" na fijerena ivelany. Izany hoe iandraiketany mivantana avokoa ny tontolo misy ny sehatr’asa iasany. Izy ireo dia sady mpamokatra no mpamatsy no mpanjinjara no mpitatitra no mpanondrana no mpanafatra sady mamokatra ny angovo ilainy, manana banky, ary indraindray aza izy samy izy ihany no mpifaninana sy ny toy izany rehetra. Inona no dikan’ilay hoe “maka ny hazavana rehetra”? Ireo vondrona orinasa ireo no misitraka amin’ny ankapobeny ny famatsiam-bola eto an-toerana ary koa ny famatsiam-bola iraisampirenena avy amin’ny banky iraisampirenena, BAD, AFD sy ny maro hafa. Inona ilay hoe “mitsentsitra ny tsiron’ny tany”? Izy ireo no mifehy ny tsena eto Madagasikara ka miteraka toe-javatra antsoina hoe “oligopole” na fihariana tokan-jotra. Vokatr’izany, tsy maintsy manjifa isika malagasy fa saika tsy manana safidy. Izy ireo samy izy no manana ny teny farany amin’ny fametrahana ny vidin’entana sy ny vidin’ny tolotra. Manana anjara toerana lehibe ihany koa izy ireo any amin’ny fisitrahana ny tsenambarom-panjakana. Ny “oligopole” eto Madagasikara dia miteraka ireo “oligarque” 1% izay misitraka ny 99%-n’ny harena misy eto amin’ny firenena. Ireo ihany koa no mamatsy vola ny fiainana ara-politika ka afaka manangana, mitazona, na manongana fitondrana. Ekena tanteraka fa raha mitady fandrosoana sitrahin’ny daholobe isika dia tsy maintsy miainga avy amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany na TPE sy PME. Ireo no tokony ho avokavoka mitondra rivotra na “oxygène” ho an’ny firenena. Na tiana na tsy tiana anefa dia mila vola foana aloha. Ary tsy azo iainana ho an'ny orinasa velively ny “taux directeur” na taha mitondra an’ny Banky foibe izay 12% mbola ampiana tombony alain’ny banky. Raha mandalo “microfinance” na mpampindram-bola madinika moa ny mpindram-bola dia vao mainka loza tanteraka! Matetika miafara amin’ny famarotana fananana ny fandraharahana. Mampalahelo ihany koa fa isaky ny misy vondrona orinasa malagasy iray mitady hiakatra ho amin’ny ambaratongan’ireo hazo lehibe 40 dia misy manapaka avy hatrany. Matetika isika malagasy ihany no manapaka azy. Mila alaina tahaka ny nataon’i Olusegun Obasanjo tao Nigeria. Tokony hisy tetikasa famoronana vondrona orinasa vaventy malagasy 40 eto Madagasikara. Mamorona malagasy «millionnaires en euros» na milionera amin’ny vola Euro miisa 40, manampy ireo vondrona 40 efa misy. Afaka mandinika ny traikefa tao Nigeria tamin’ny andron’i Olusegun Obasanjo isika, izay nahatonga ny fipoiran’ireo miliardera nizerianina toa an’i Aliko Dangote. Ny olana rehetra misy eto Madagasikara toy ny làlana ratsy, tsy fahampian’angovo, fotodrafitrasa tsy ampy, vokatra very fotsiny sy ny maro hafa dia “opportunités de business” na tombony ho an’ny fifanakalozana ara-barotra avokoa. Tokony ho an’ny malagasy aloha anefa izany mba tsy hivoahan’ny vola any ivelany fa hiodina eto an-toerana! Tsy ratsy ireo tetikasa efa nisy toy ny Fihariana sy ODOF, saingy tokony arahana fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena, hahafahan’ny «startup» na mpandraharaha vao misondrotra misitraka fampindramam-bola amin’ny “taux d’intérêt” na zanabola ambany. Tokony hisy ihany koa “appels à projets” na tolobidy isaky ny faritra, arakaraky ny “avantages comparatifs” na tombony azo ampitahaina ananan’ny faritra tsirairay. Mbola maro ny hevitra azo zaraina fa ampahany kely dia kely ihany ireo hatreto. Ny tena zava-dehibe aloha dia ny fananana fomba fijery iraisana manoloana ny zava-misy. Misokatra tanteraka ny adihevitra, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»