airtel

Actualités

21-mars-2024

ZAZA 5 TAONA NENTINA NIVOAKA FA PORITRA

Naolan’ilay tovolahy mpiasan’ny hotely nisakafoanany

Sample post image

Zava-doza ny nahazo ilay zazavavy kely tsy manan-tsiny iray vao 05 taona

21-mars-2024

monja niaraka tamin-dReniny niala tao Anjiamangirana Mahajanga hiazo an’Ambilobe ny 13 Martsa teo. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia nijanona tamina hotely iray nisakafoanany atoandro izy ireo tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Poritra anefa ilay zaza ka nentina tovolahy iray mpiasan’ny hotely tany amin’ny trano fivoahana. Nosasan’io tovolahy io ihany koa izy nandritra izany izay vao naveriny tany amin-dReniny. Nanohy ny diany tsy tamin’ahiahy izy mianaka nandritra izany. Teny an-dalana anefa dia nitaraina ho naharary kibo ilay zaza no sady tsy nety nisakafo intsony. Tonga tany Ambilobe izy ireo ny datin’ny 14 Martsa saingy vao mainka niharatsy ny fahasalaman’ilay zaza. Rehefa nentin-dReniny tany amin’ny dokotera izy dia fantatra fa rovitra ny tatavian’ilay zaza vokatry ny fanolanana nihatra taminy. Ny datin’ny 18 Martsa teo moa no efa nametraka fitoriana ny Renin’ilay zaza ka efa voasambotra ilay tovolahy nahavanon-doza.
Pati
Legende : Mihamaro ireo zaza tsy manan-tsiny voaolana eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap