airtel

Actualités

15-mars-2024

ZAZA LASAN’NY RANO TAO TOAMASINA

Namoy ny ainy, tsy fantatra ny fianakaviany

Sample post image

Zazakely iray tombanana eo amin’ny 2 na 3 taona eo ho eo no lasan’ny rano

15-mars-2024

tao Toamasina omaly folakandro. Teo amin'ny tetezan'i Vererie sy Mangarivotra no tazan'ny olona izy io ka nifamonjena hoy ny loharanom-baovao saingy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Iretsy voalohany indray nandritra izany no tonga nanatitra ny vatana mangatsiakan’ilay tsy manan-tsiny tao amin'ny Hopitaly Bethania Toamasina . Tsy mbola hita moa ny fianakavian’io zaza maty io hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina fa ny tranga tahaka izao dia mahavoasaringotra ny mpitaiza ilay zaza foana, indrindra fa ny Reniny. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : inona no nataon’ity zaza mbola tsy mahalala izay hahafaty azy ity teny amoron-drano ? tsy nisy ve ny fanaraha-maso sa dia fanahianiana tsotra izao ?... Andrasana ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza lasan’ny rano izay tombanana ho vavikely !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap