airtel

Actualités

01-sept-2023

Zaza mitsoaka an-daharana an-tsekoly

Ahiana hitombo avo roa heny noho ny fahasahiranana

Sample post image

Nahatratra 64% ny tahan’ny fitsoahan’ny mpianatra an-daharana an-tsekoly tamin’ny taona 2020 noho ny

01-sept-2023

fahasahiranan’ny Ray aman-dReny sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Ahiana mbola hitombobe io salan’isa io ankehitriny noho ny fiakaran’ny vidim-piainana hatrany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy ho an’ireo Ray aman-dReny mampiana-janaka manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana dia ireo madinika ihany sisa no tsy maintsy hampianarina. Ho an’ireo efa lehibe nahazo ny mari-pahaizana BEPC ohatra dia tsy maintsy hajanona izy ireny, ho an’ireo manana iraitampo mihoatra ny telo. Tsy mijanona fotsiny ihany fa tsy maintsy mitady asa ihany koa mba hampitomboana ny vola miditra ao an-tokantrano. Ho an’ireo tsy manan-janaka afa-tsy iray na roa kosa sisa nefa afaka BEPC farany dia tsy vitsy ireo mandeha mitalaho mba hahafahan’ny lisea mandray azy ireny hialana amin’ny fandoavana saram-pianarana. Ho an’ireo kaominina manodidina izany moa dia saika mitaraina avokoa ireo Ben’ny tanana fa mitombo avo telo heny ireo Ray aman-dReny tonga mangataka fanampiana ho an’ny fidiran’ny mpianatra….Tsiahivina moa fa efa tena mamay ny vidin’ny fitaovam-pianarana eny amin’ny pavillon Analakely amin’izao fiandohan’ny volana Septambra izao. Misy mahatratra hatrany amin’ny 15.000 Ar ny iray fonosana amin’ny crayon miloko…
Pati
Legende : Tsy vitan’ny Ray aman-dReny intsony ny vidin’ny fitaovam-pianarana eny an-tsena !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap