airtel

Actualités

31-janv-2025

ZAZA TSY HITA TAO FOULPOINTE

Tezitra ny vahoaka, raikitra ny sakoroka

Sample post image

Raikitra ny sakoroka omaly Alakamisy 30 Janoary folakandro tany Foulpointe Toamasina.

31-janv-2025

Leo ny tsy fahitana ilay zaza iray vao 14 taona monja voalaza ho nampiasaina Rangahy iray tompon’andraikitry ny depôt de medicaments any an-toerana mantsy ny mponina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa ho herinandro izao io zaza io no tsy hita. Nilaza ilay Rangahy mpampiasa azy nandritra izany rehefa nampandre ny Ray aman-dReniny fa very vola 4 tapitrisa Ar izy ka io zaza io no nambarany ho naka ilay vola ary lasa nitsoaka. Sorena vokatr’izany ny fokonolona ka tonga nilanja sora-baventy teo amin’ny trano misy ilay Rangahy mpampiasa omaly folakandro. Tsy nijanona teo ny raharaha hoy ny vaovao fa nitohy tamin’ny fanimban-javatra mba hivoahan’ny tena marina. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha fahaverezan-jaza tao Foulpointe ity.
Pati
Legende : Tahaka izao no firodorodon’ireo vahoaka tao Foulpointe omaly folakandro !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap