tanora nahavita fanompoam-pirenena, aorian’ny fiatrehana ny raharaha miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny Fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no mikarakara izany. Araka ny tombana dia betsaka amin’ireo tanora no tsy manana anton’asa hivoarana amin’ny fiainana aorian’ny fanompoam-pirenena. Zazavao miisa 4000 eo ho eo isan-taona no ampidirina hiantseharatra ao anatin’ny tontolo miaramila, saingy 1 000 eo ihany no tena lasa miaramila raikitra. Hisy ny famelarana ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Minisitera izay voakasika, hahatanteraka ity tetik’asa ity, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny lahateniny. Hivoitra ao anatin’ny roa andro araka izany, ny ho tohin’izao atrikasa izao, hahazoana vokatra miabo hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, hoy harany ny fampitam-baovao.
Nangonin’I Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny