airtel

Actualités

18-févr-2025

ZAZAVAVY KELY VAO 2 VOLANA MONJA

Nisy nanary, tsy fantatra izay Ray aman-dReniny

Sample post image

Zazavavy kely iray tombanana ho 2 volana eo ho eo no fantatra fa naterina lehilahy

18-févr-2025

iray tao amin’ny Borigadin’Ambatolampy efa ho iray volana izay. Nilaza io Rangahy io fa hitany teo ambody kininina tany amin'ny kaominina Ampitatafika hono ilay zaza tsy manan-tsiny rehefa nateriny tao amin’ny zandary. Rehefa nohamarinin'ny zandarimariam-pirenena anefa izany dia tsy mponina any akory io lehilahy io. Ankoatra izay dia tsy nipoitra intsony rehefa nafarana mba hiverina tao amin’ny zandary nony ampitso hitondra ilay zaza hitany any amin'ny Fitsarana misahana ny zaza. Voatery nalefan’ny Fitsarana ambaratonga Voalohany Ambatolampy ao amin’ny Akany Mendrika ilay zaza tsy manan-tsiny vokatr’izany mba ho tezaina mandrapahita ireo nahitany masoandro. Miantso ireo olona very zanaka araka izany ny zandarimariam-pirenena Ambatolampy mva ho avy hanatona azy ireo haingana.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap