ny mpianatra hikolokolo zaridaina indray ho fanamaintsoana ny tanàn-dehibe sy hanabeazana ny ankizy hiaro ny tontolo ianana ny tetikasa iarahan'ny Tia Tanindrazana sy ny profesora Henri Rasolonjanahary. Teny amin'ny sekoly tsy miankina Ange Gabriel Anosibe ouest 2 no nanaovana izany ny zoma lasa teo ka nanombohana ny fambolena ananana (tissam) natao amina tavoahangy plastika. Anisan'ny nambolena ihany koa ny raozy , solila, ,tsaramaso, omanga, kotomila, salady. Tsy be resaka isika fa fikarohana, asa, fampiharana ary tonga dia mioty vokatra avy eo hoy ny Pr Henri tompon-kevitra sy nanao ny fikarohana. Efa maro ireo tantsaha avy amina faritra maro manerana ny nosy no nahita soa avy amin'ity tetikasa fako avadika zezika enti-mamokatra ity. Izy ity moa dia anisan'ny paikady iray ahafahana manodina ny fakon'Antananarivo ho lasa akora ampiasaina fa tsy hoe angonona dia taterina , avy eo dorana, lasa mila velarantany lehibe no sady manimba tontolo iainana fotsiny. Tsy maintsy mikaroka vahaolana foana, ary asehontsika fa olon'ny asa isika, hoy ny firesak'i Tahina Razafinjoelina izay.
Nangonin'i RTT
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.