nikaon-doha tany amin’ny Hotel Eucalyptus Ampefy ireo solombavambahoaka maromaro niaraka amin’ny « Haut-Commissariat des Nations Unies pour les Réfugiés (UNHCR) » sy ny fikambanana « Focus development Association (FDA)», izay toa nangingina, saingy rehefa nisy ny firesahana izany tamin’ny fandaharana an’onjam-peo omaly, dia nisy fampitam-baovao ofisialy omaly takariva, nataon’ny Antenimieram-pirenena. Somary nanaitra sy nampametra-panontaniana rahateo hoe: nahoana no nisintaka niala ny Renivohitra fa tsy tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena ihany na koa tsy lavitra an’Antananarivo? Mampahatsiahy ny raharaha Paon d’or sy ny raharaha fizarana malety tamin’ny andron’ny Fanjakana HVM ny resaka ny fisintahana mangingina ataona solombavambahoaka tahaka izao, saingy io nisy fampitam-baovao io moa. Nambara fa natao io fikaonan-doha io mba hampahafantarana an’ireo solombavambahoaka ireo amin’ny antsipirihiny ny votoatin’ity rijan-teny ity, ka ny tanjona lehibe kendrena amin’ity tolo-dalàna ity moa dia ny hanafoanana ny tsy fananan-tsata araka ireo fifanarahana iraisam-pirenena efa nankatoavin’i Madagasikara ary misy koa ireo fanatsaràna ho entina amin’izany. Mbola hisy dingana maro sy ady hevitra isan-tsokajiny holalovan’izao tolo-dalàna izao mialoha ny handinihana izany indray eo anivon’ny Antenimierampirenena. Somary saro-pady ity resaka ity, izay amin’ny ankampobeny dia tombanana ho fanamorana ny fanomezana zom-pirenena Malagasy ho an'ireo mitonona ho tsy manan-tsata na “apatrides”. Rehefa zohiana anfa ny zava-misy, ny ankamaroany efa mizaka zom-pirenena vahiny toy ny zom-pirenena Frantsay, Indianina,… Inona no tena tanjona amin’izany? Tsy resaka tsy fitiavana vahiny fa ahiana vao mainka hiteraka fanjakazakana toy ny fangoronan-tany sy harena, fifehezana ny toekarena,… ataon’ny karana. Mety ho tonga any amin’ny zo ara-politika sy fakana fahefana,… Raha mijery ny any ivelany, efa mivelatra sy malala-tsaina be ny vahiny toy ny Eoropeanina sy ny Amerikanina. Ny an’ny Anglisy vaovao Rishi Sunak, ohatra, manana fihaviana Indianina na karana, hoy isika. Efa zakan’ny kolontsaintsika Malagasy ve ny tahaka izany? Tsaroana tsara tamin’ny andron’ny Fanjakana HVM, fa nohenjehina sy nokianina mafy ny kestoran’ny Antenimierandoholona tamin’izany Atoa Mourad Abdirassoul, raha nanolotra tolo-dalàna ho fanovana io fehezan-dalàna mifehy ny zom-pirenena na “code de la Nationalité” io mba ahafahan’ireo vahiny efa nipetraka teto Madagasikara talohan’ny taona 1960 sy ireo lehilahy vahiny manambady vehivavy Malagasy mba hahazo zom-pirenena Malagasy. Misy ve ny mena miraviravy toy ny volabe tsy toko tsy forohana ka kasaina haverina ny notoherina tamin’izany? Akaiky ny fifidianana ka isan’ny mety ho tambin’ny fanohanana io? Raha Malagasy any ivelany ve mety homen’ny vahiny tombondahiny tahaka izany ?
Toky R
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.