airtel

Fandriampahalemana

06-janv-2023

Fandriampahalemana

19 taona dia efa mpangalatr’omby Maty voatifitra rehefa saika mbola hitsoaka

Sample post image

Tovolahy iray vao 19 taona monja dia efa mpangalatr'omby tany amin’ny faritra Menabe. Maty voatifitry ny polisin’ny CRFIP,DRSP Menabe tao amin'ny fokontany Andranoteraka ny tovolahy omaly.

06-janv-2023

Efa matetika mangalatr’omby ao amin'ireo fokontany manodidina azy ity tovolahy ity. Nisy araka izany ny andrimaso natao ka tratra omaly 05 janoary tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany ity farany ary nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny polisy nanaovana ny fanadihadiana.Teny an-dalana hamonjy ny birao anefa izy no nanao tari-dositra indray. Nisy ny tifitra fampitandremana nataon'ireo polisy saingy nanohy ny diany foana ity farany.Voatery nitifitra azy ny mpitandro ny filaminana noho izany ka lavon'ny bala ity mpangalatr’omby omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro.
Nangonin’i Pati
Legende : Maty voatifitra ilay mpangalatr’omby
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap