airtel

Fandriampahalemana

27-déc-2022

Fandriampahalemana

Alin’ny 24 desambra Olona 54 no nosamborina

Sample post image

Miisa 54 isa ireo olona voatery nosamborina teto an-drenivohitra ny alin’ny 24 nifoha 25 desambra noho ny asa ratsy maro isan-karazany.

27-déc-2022

Halatra miharo herisetra nahitana fampiasana basy ny 04 tamin’ireo. Halatra miharo herisetra nampiasana antsy ny iray. Roa kosa ireo olona tratra tamin'ny halatra miharo vaky trano. Resaka fanendahana ny 11 isa raha halatra tsotra 09. Halatra madinika kosa ny 07 raha halatra moto ny 01. Fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ny 02, olona voasava nampiahiahy ny 13 isa. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo mamo an-dalam-be izay miisa 04. Nahatratra 09 kosa trangana lozam-pifamoivoizana niseho araka ny tatitry ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana. Loza naharatrana olona ny 04 izay loza tsotra avokoa raha loza namoizana ain’olona ny 01 . Miisa 04 kosa ireo loza nanimban-javatra ka 04 ny loza tsotra raha miisa 03 fahamamoana teo am-pamiliana fiara.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap