airtel

Fandriampahalemana

10-oct-2023

AMBOHIBARY ANTSIRABE

Dahalo efa voasambotra maty teo am-pitsoahana

Sample post image

Dahalo roalahy , mirongo fiadiana indray no saika hamoaka omby am-bala tao Antsira, fokontany sy Kaominina Antsoatany Antsirabe II.

10-oct-2023

Ny 08 Oktobra lasa teo tokony ho tamin'ny 11 ora alina no nitrangan’izany. Tratran'ny fokonolona am-bodiomby ny iray vokatr’izany raha tafatsoaka kosa ny iray. Natolotra ny zandary ity dahalo tratra ity sy ilay antsy kalazabe maranitra nampiasainy. Raha vantany vao maraina anefa ny andro dia nentina tamin’ny moto izy mba hanoro ny toerana misy ilay namany. Tsy tongan'ny fiara ilay toerana ary izy irery ihany, hono, no mahita ny misy azy. Nanararaotra niporitsaka anefa izy raha nahazo toerana malalaka ka voatery nitifitra ny zandary. Voatery nandao ity tany feno fahasambarana ity ilay dahalo kely vokatr’izany rehefa voamarin'ny dokotera fa nahazo tapakila mandroso tsy miverina ho any amin'ny varo_tsy_mifody. Nalevin’ny fokonolona izy taorian’izany.
Pati

 

 

 


 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap