airtel

Fandriampahalemana

20-juil-2026

AMORON’I MANIA

Fiara iray no notafihin'ny dahalo

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

20-juil-2026

any amin'ny Faritra Amoron’i Mania. Tato anatin’ny volana vitsivitsy no tena nahitana taratra izany. Taorian’ilay raharaha fakàna an-keriny tamin’ny volana Aprily teo, dia nitohy tamin'ny fanafihana mitam-piadiana, ny vaki-trano ary ny sakan-dalana izany. Afak'omaly Sabotsy 18 Jolay alina dia nisy andian-dahalo nanakana fiara mpitatitra mpiantsena tany amin’ny lalam-pirenena faha-35, teo Andohasakalava, Kaominina Ivato Centre, Distrikan’Ambositra. Nitifitra sy nitora-bato izy ireo ka simba ny fitaratry ny fiara iray. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary nanao fisafoana, ka raikitra ny fifampitifirana. Dahalo iray no hita faty nandritra ny fanarahan-dia, ary basy vita gasy, famaky, antsy ary bala no tratra teny aminy. Tsy nisy naratra kosa ireo mpandeha sy ny zandary. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka, raha mbola miandrandra fepetra hentitra hiantohana ny filaminana ny mponina ao Amoron’i Mania. Tsiahivina moa fa lasa mitaintaina fatratra ireo mpiala sasatra manoloana ity tsy fandriampahalemana any amin'ny lalam-pirenena ity. Voakasik'izany ny lalam-pirenena fahafito sy ny fahaefatra ary ny faharoa izay efa natahorana hatramin'izay. Miandrandra fepetra hentitra avy amin'ny Fitondram-panjakana ireo mpampiasa lalana.
Nangonin'i Pati

Légende : Tahaka izao no nanjo ireo fiara lasibatra
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap