airtel

Fandriampahalemana

07-sept-2022

Fandriampahalemana

Andravoahangy sy Ankadivato Zazalahy vao 15 taona no atidohan’ny vaky trano

Sample post image

Tokantrano roa samihafa no indray nisy namaky teny Andravoahangy sy Ankadivato omaly talata 06 aogositra maraina.

07-sept-2022

Fampitam-baovao avy amin'ny mpifanila vodirindrina tamin'ilay niharam-boina no nahafantaran’ny Polisy ny zava-nitranga ka nidina teny an-toerana nisambotra ireo olon-dratsy avy hatrany izy ireo. Mbola teo am-pisokirana ny varavarana no tazan'ny olona manodidina ny iray ka niantso ireo polisy niasa teo akaiky teo ihany izy ireo. Ny iray kosa nitsofoka tao anatin'ny tamboho mifefy ary efa saika haka ireo entana nipetraka teo an-tokontany no sarona. Ity farany izay marihina fa mbola tsy ampy taona akory satria vao 15 taona monja nefa efa manao izao asa ratsy izao sahady no sady mbola ati-doha. Samy tratra ambodiomby teo am-panaovany ny asa ratsiny avokoa moa izy roalahy ireto. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana. Ilay mbola tsy ampy taona kosa natolotra ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana hanohizana ny fanadihadiana. 31 taona moa ilay lehilahy iray namany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap