ny volana janoary ho avy izao ny angidim-by vaovao « airbus H 130 », izay afaka hanaovana «transport de troupes», «action tactique» ary «évacuation sanitaire », hahafahana mamonjy ireo miaramila mety ho tra-doza, na ireo olom-panjakana mamita hiraka any amin’ny toerana saro-dalana”, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina”. Nambara fa fitaovam-piadiana vaovao avy atsy Afrika Atsimo io, ary horaisina any amin’ny seranantsambon’I Toamasina. Efa dila ny tapa-bolana, efa iray volana mahery aty aoriana aza isika izao. Sao sanatria ho fita-bitro sy fampanantenana poakaty tahaka ny efa nisy? Tany amin’ny tetezamita notarihin-dRajoelina dia efa nisy ny fampisehoana makety sy nilazana fa efa any anaty sambo ny tramway saingy am-polo taonany aty aoriana tsy nipoitra ihany. Vao tamin’ny jolay 2022 no nilaza fa ho tonga mialohan’ny faran’ny taona 2022 ny bus be manara-penitra 1000 hampiasana eto Antananarivo, kinanjo ny Mpitondra tenin’ny Filoha Lova Ranoromaro indray nilaza ny faramparan’ny taona fa tsy ny tenany na ny Filoha Rajoelina no nampananterana izany. Asa indray na ho balarora na tena izy indray ity angidim-by vaovaon’ny tafika ity. Ilay fiaramanidina Casa izay voalaza fa namboarina moa dia nanaovana “mody mitapy” araka ny fitenin’ny tanora. Pi-maso ho an’ny tafika nandritra ny nametrahana ambany faneva ireo jeneraly miisa 25 vao niakatra galona moa no nanamafisana ity filazana fa ho avy ny angidim-by ity. Nandritra io no nilazan-dRajoelina fa ny Fitondrany dia tena nijery sy nitsinjo hatrany ny tafika toy ny ara-pitaovana, ara-potodrafitrasa,… ary nilazany fa tokony hijoro eo anatrehan’ny ambana ny tafika. Nahazoany toky tamin’ny kabarin’ny Minisitry ny fiarovana fa ao an-damosin’ity farany ny tafika ary miaro ny andrim-panjakana sy ny lalàmpanorenana, ary ny safidim-bahoaka. Niteraka tsikera samihafa io, ary nisy ny fampahatsiahivana hoe: ary ahoana ny tamin’ny 2009 izay filoha voafidim-bahoaka no naongan-dRajoelina ary ampahany tao amin’ny tafika no nampiasainy?
Toky R
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.