Zazavavy kely vao 10 taona monja io nalainy io raha araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy sy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana izay tondroiny ho zanany naterany. Ny tena nahavariana ny mpiara-monina tamin’ity Ramatoa ity anefa dia matim-bono hatrany io zaza io. Hanamparan’ilay Ramatoa ny habibiany ihany koa, koa raha vantany vao mitady vonjy aman’olona dia sakanany mafy tsy hanao izany. Tamin’ny fotoana nakana am-bavany ilay zaza dia nilaza ity farany fa tsy reniny niteraka azy io vehivavy io fa mpiara-miasa amin’ny ray aman-dreniny fotsiny. Ilay ramatoa nitazona azy anefa teo an-daniny dia nilaza sy nanamafy hatrany fa zanany io zazavavy io izay nifanohitra amin’ny nambaran’ilay zaza. Rehefa nozahan’ny manampahefana tokoa moa ny Ray aman-dRenin’ity zazavavy kely dia hita ka tamin’izany no nahafantarana fa nangalarin’ity Ramatoa tsy mataho-tody ity io zaza tsy manan-tsiny. Ny 02 janoary teo moa no nosamborina ny anaovavy. Mitohy kosa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ny raharaha.
Pati
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey