Lohan-dehilahy iray efa tapaka no tazan’ny fokonolona nentin’ny alika nandehandeha eran’ny tanàna ary fantatra fa mbola nisy rà. Raha araka ny vaovao azo dia tombanana ho mety efa nisy namono tany ho any ity lehilahy ity ary nariana tany Ankadikely ny fatiny na koa tany amin’iny toerana iny mihitsy no namonoana azy saingy tsy nisy nahita. Avy hatrany dia niantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny sefom-pokontany sy ny zandary moa ireo mponina nahita ny zava-nitranga ka efa noraisin’ireto farany an-tanàna ny raharaha. Ilay lohany sy ny volony notaritin’ny alika moa no nahafantarana fa lehilahy ilay namoy ny ainy. Mbola tsy fantatra kosa izay toerana misy ny vatany hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Ny hany fantatra dia tao anaty alala somary mangingina no nahitana ilay lohany notaritin’ny alika.
Nangonin’i Pati
Legende : Teto amin’ity kirihitr’ala ity no nahitana ilay lohan’olona notaritin’ny alika
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey