airtel

Fandriampahalemana

10-nov-2025

ANTALAHA

Voasambotry ny polisy ireo mpangalatra moto

Sample post image

Voasambotry ny Polisim-pirenena avy

10-nov-2025

ao amin’ny Kaomisarian' Antalaha ny jiolahy miisa efatra afak'omaly sabotsy 08 novambra. Fantatra fa malaza ratsy amin’ny resaka halatra moto ao an-tampon-tanànan’Antalaha izy ireo . Araka ny fitarainana voarain’ny Polisy tamin’ny 25 oktobra teo mikasika ny fahaverezan’ny moto Honda 125cc iray, dia nanao fikarohana sy fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka nahasambotra olona roa tamin’ireo olon-dratsy. Taorian’izay ny 02 novambra teo dia tratran’ny Polisy tao Antsonasona kosa ireo namany roa hafa, izay mpangalatra sy mpividy moto halatra. Fantatra fa nafenin’izy ireo tao Belle-Rose – Maherifody ilay moto nangalarin'ireto farany. Samy niaiky ny helony izy ireo, ary noentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria mba hanaovana fanadihadiana momba ity raharaha ity.
Pati
Legende : Niaiky heloka izy efa-dahy
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap