Monina eny Alasora ity lehilahy voasambotra ity, ary mpivarotra no asany. Tamin’ny fotoana nisamboran’ny Polisy azy dia rongony miisa 03 fonosana lehibe no tratra teny aminy. Niaiky izy fa azy ireo rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly talata ny lehilahy ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa ireo mpivarotra rongony tahaka izao no tena manome fakam-panahy ireo tanora manodidina azy. Mody omeny mba hanandrana ny sasany eny am-piandohana ary asainy mividy amin’izay avy eo rehefa tena miankin-doha eny fa na dia ireo ankizy mbola mpianatra aza.
Efa ho isan’andro raha faran’ny kely dia olona 2 no voasambotra fa nitondra, nivarotra na nifoka rongony; tsy misy resaka firy fa vantany vao mandalo eny amin’ny fampanoavana tonga dia miditra am-ponja vonjimaika.Raha herinandro izany dia 12 farahakeliny eto Antananarivo no miditra am-ponja noho ny resaka rongony.
Nangonin’i Pati
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.