airtel

Fandriampahalemana

05-janv-2023

Fandriampahalemana

Antananarivo renivohitra Mitombo isa ireo vehivavy lasa mivarotra rongony

Sample post image

Ankoatra ny asa fivarotan-tena dia mihamaro ihany koa amin’izao ireo vehivavy lasa mivaro-drongony.

05-janv-2023

Vehivavy iray 20 taona no sarona teny amoron'ny lalam-by Andrefan'ambohijanahary ny 03 janoary teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro rehefa nivarotra rongony. Raha araka ny fantatra dia ity tovovavy ity mihitsy no mpamatsy zava-mahadomelina ireo olona eny amin’iny faritra iny ka ao an-tokantranony izy no manao izany. Misy olona maromaro mifamezivezy izay andiana tovolahy ny ankamaroany no hita teny akaikin’ny tranony. Rongony 78 fonosana sy 300grama rarany kosa no sarona tao aminy. Eny Ambohimanarina no nambarany fa hakany ireo rongony ireo ary isaky ny 2 andro izy no maka izany. Tsinjarainy amin’ny fonosana izany avy eo ary hamidiny amin’ireo olona tonga ao aminy. Marihina anefa fa faritra iva ny any Andrefan’Ambohijanahary. Olona sahirana ny ankamaroan’ny mponina, antony mampahazo vahana ny fanolanana, ny fifamonoan’ny mpivady, ny herisetra eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy sy ireo rongony namidiny
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap