airtel

Fandriampahalemana

25-sept-2023

Antaniandro Ampanotokana

Vaky ny fasana, nanjavona ny razana 12 isa

Sample post image

Nitrangana vaky fasana indray tao Antaninandro, Fokontany Bemasoandro kaominina ambanivohitr’Ampanotokana

25-sept-2023

ny Zoma 22 Septambra lasa teo. Mpiandry omby nandroaka omby nikasa handeha hody no nahatsikaritra izany ka nampandre avy hatrany ireo mponina tao an-tanàna sy ny mpitandro filaminana. Rehefa nojerena tokoa ilay fasana dia voaporofo fa vaky ary tapitra voakirakira avokoa ireo razana tao anatiny. Taolam-balo tsy latsaky ny 12 isa no nanjavona tanteraka hoy ny vaovao. Karan-doha sy lamba sisa no niparitaka tao am-pasana vokatr’izany izay nmpahonena tokoa ny nijery azy raha araka ny vaovao voaray hatrany. Nifandrombonan'ny fokonolona narovana moa ity fasana ity mandram-piandry ny tompony izay fantatra fa efa tonga teny an-toerana. Efa tafakatra 6 moa hatreo ireo fasana vaky tao Ambohidratrimo tato anatin’ny iray volana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nibanakabe tahaka izao ilay fasana !

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap