airtel

Fandriampahalemana

10-août-2026

Antanikatsaka Bemasoandro

Lehilahy 61 taona sy ny zanany hita faty

Sample post image

Lehilahy iray 61 taona

10-août-2026

sy ny zanany vavy 20 taona, no hita niara-maty tao an-tranony tao Antanikatsaka Bemasoandro, ny marainan'ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Nanao ny fitsirihana tany an-toerana ny zandary ka bala miisa 5 no voalaza fa nitifirana ilay tovovavy raha bala 1 kosa no nitifirana ilay raim-pianakaviana. Hita teo akaikin’ny tongotr’ilay lehilahy ny basy iray ary mbola nisy bala 4 tsy mbola nipoaka tao anatiny. Voalaza fa tsy nahitana vaky trano na korontana tao an-trano ary tsy nisy zavatra very. Ara-dalàna ihany koa, araka ny fantatra, ny taratasy fahazoan-dalana hitazona ilay basy. Efa nandray an-tanana ny fanadihadiana ny Borigady misahana heloka bevava hamantarana ny tena zava-nitranga sy ny antony nahatonga izao fahafatesana izao, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Tambazotra iray ravan'ny Zandary, olona 5 voasambotra

Card image cap
11-sept-2026

ny afera Kolonely Patrick…

Card image cap
11-sept-2026

Mandoa ra, simba tanteraka...votsotra ilay mpanolana

Card image cap
11-sept-2026

Olona 3 naiditra am-ponja tao Sambava

Card image cap
10-sept-2026

tontolo izao i Madagasikara

Card image cap