Eo amin’ny kibony no ahitana io dian’antsy io antony miteraka ny fahasimban’ny razana haingana. Nahitana ra nivoaka ihany koa mantsy ny vavan’ity Renim-pianakaviana ity. Tsy mbola hita na fantatra moa izay fianakavian’ny maty koa hanaovana antso avo ho an’ireo izay sendra mahalala azy. Tombanan’ny manodidina ho novonoina tany ambadika tany moa ity Renim-pianakaviana vao natsipy teny an-toerana. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no hamaritra izany. Mbola mitohy hatrany araka izany ny tsy fandriampahalemana eny Ampitatafika. Vao andro vitsy lasa ihany koa mantsy izay no nisian’ilay Raim-pianakaviana mpanao cash point voatsatok’antsy tahaka izao raha naratra mafy ihany koa ilay zanany vavy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana voatsatok’antsy
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.