Lasan’ireo dahalo nandritra izany ny omby miisa 11 raha araka ny vaovao azo. Notapenan'ireo dahalo isam-baravarana ireo tantsaha nandritra ny fotoana nidirany tao an-tanana ka tsy nisy nahasahy nivoaka na dia iray aza. Na izany aza niezaka ny nanenjika ireo dahalo ny fokonolona ka omby miisa roa no efa tafaverina soa amantsara fa ny 9 ambiny kosa mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Nankany Imerintsiatosika ny dian’ireo omby raha araka ny fantatra. Ankoatra ity tranga farany dia navoakan'ireo dahalo daholo ihany koa ireo omby rehetra tao Morafenosoa, fokontany Ankerana, kaominina ambanivohitra zomabealoka, distrikan’i Miarinarivo afak’omaly alina ihany. Nampaneno radio carte ireo dahalo nandritra izany no sady nanapoaka basy no mamoaka ny omby. Lasan'izy ireo daholo ny omby rehetra tao an-tanana ary niroso nanara-dia ny fokonolona ka omby 7 sisa tavela tamin’ireo very ireo. Efa nahavita fanafiana in-3 tao anatin'ny iray volana moa ireto dahalo ireto ka omby 17 tamin'ny voalohany lasany, 20 tamin'ny faharoa, izao 7 izao ny fahatelo. Andian-dahalo 20 lahy eo ho izy ireo no manao izany koa hanaovan’ireo mponina any an-toerana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey