airtel

Fandriampahalemana

13-août-2026

ASAN-DAHALO

ANY TSARATANÀNA Omby mihoatra ny 50 voaroba,

Sample post image

may ny moto-n'ny zandary

13-août-2026

Vonona hifanandrina amin'ny mpitandro ny filaminana mihitsy ireo dahalo any amin'ny distrikan'i Tsaratanana, Faritra Boeny, raha araka ny fanazavan'Andriarimalala Thonny, solombavambahoaka voafidy any an-toerana. Manodidina an'Andilamena no tena ahitana izany ka dahalo manodidina ny 50 isa izy ireo raha kely no indray miaraka, vonona hifanenjika sy hifamono amin'ny mpitandro ny filaminana. Tao Ambohibengy kaominina ambanivohitr'i Sarobaratra ohatra vao omaly Alarobia 12 Aogositra tokony ho tamin'ny 04 ora sy sasany maraina dia dahalo manodidina ny 50 lahy no tonga nandroba omby miisa 60. Mbola nodoran'ireo jiolahy ihany koa ny kodiaran-droa an'ireo zandary miisa 2 miasa any an-toerana hoy ity solombavambahoaka ity. Ankoatra ity tranga ity dia vao tamin'ny faran'ny herinandro teo koa no notafihin'ireo jiolahy ny tananan'i Maigogo ao Sarobaratra ihany. Nalain'ireo dahalo an-keriny tamin'izany koa ny tompon'omby saingy navotsotr'izy ireo ity farany rehefa nifanenjehana izy ireo. Mbola mitohy araka izany ny fanenjehana ireo dahalo ireo. Hetahetan'ity solombavambahoaka voafidy tany Tsaratanana ity araka izany ny tokony hametrahana borigadin'ny zandarimarim-pirenena any an-toerana misy olombelona sy fitaovana hahafahana mifehy ny fandriampahalemana any an-toerana.
Pati
Légende : Ny depiote Andriarimalala Thonny, voafidy tany amin'ny distrikan'i Tsaratanana !
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Tambazotra iray ravan'ny Zandary, olona 5 voasambotra

Card image cap
11-sept-2026

ny afera Kolonely Patrick…

Card image cap
11-sept-2026

Mandoa ra, simba tanteraka...votsotra ilay mpanolana

Card image cap
11-sept-2026

Olona 3 naiditra am-ponja tao Sambava

Card image cap
10-sept-2026

tontolo izao i Madagasikara

Card image cap