airtel

Fandriampahalemana

16-févr-2023

Fandriampahalemana

Asan-jiolahy sy vono olona Nangataka « autopsie » ny fianakavian’i Lalao Rabezanahary

Sample post image

Omaly alarobia atoandro no nalaina tao amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy Lalao Rabezanahary,

16-févr-2023

mpandrindra nasionalin’ny antoko vondron’olona manohana ny Fitondrana eto Madagasikara na ny VMF. Raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Atoa Falison Jocelyn dia nahitana dian-javatra ny helika sy ny tratran’Itompokolahy, tena niteraka ny fahafatesany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy jiolahy nitsofoka tao an-tranon’Itompokolahy ary noratrain'izy ireo izy. Ny ampitson’iny izy no hita fa rerakabe ka voatery nentina niditra hopitaly. Tsy tody teny amin'ny hopitaly akory anefa izy dia namoy ny ainy. Omaly ihany koa moa no niakatra fitsarana ity raharaha ity. Miantso ny polisim-pirenena sy ny fitsarana tsy handairan’ny kolikoly araka izany ny filoha nasionalin’ny VMF. Efa nisy moa ny fangatahana fizaham-pahasalamana na autopsie nataon’ny fianakaviana raha rahampitso kosa no alevina any Fandriana ny nofo mangatsiakany. Pati Legende : Itompokolahy fony fahavelony
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap