Zazalahy kely vao 5 taona monja ny iray izay tsiahivina fa manana toe-tena varira ary nalana ny masony sy ny lelany. Ny iray kosa zazavavy kely tsy varira, nivoaka ny tokantranony mba hanara-dia an-dRainy handeha hiasa kinanjo tsy niverina intsony. Efa andro maromaro ity zaza ity no nanjavona raha araka ny loharanom-baovao azo. Tamin’ny zoma teo anefa dia olona sendra nandalo no nahita ny tanany ilany tsy voatototry ny fasika raha tapitra nototofan’ireo tsy mataho-tody kosa ny vatany mba tsy hisy mpahita. Iretsy voalohany noho izany no nampandre ny sefom-pokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza ny vatana mangatsiakan’ilay zaza no hita fa ny lohany mbola tsy fantatra izay tena nanaovan’ireo mpanao ratsy azy. Noho ity tsy fandriampahalemana lavareny miseho ao Belo sur Tsiribihiana ity moa dia fantatra fa hametrahana ilay CSAO na toeram-piofanana ho an’ny zandary ao an-toerana sy any Malaimbandy, samy ao anatin’ny Faritr’i Menabe. Alevina anio Alatsinainy kosa ilay tsy manan-tsiny kely.
Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.