Olona iray no fantatra fa voaendaka omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teny amin’ny Chapelle Militaire. Lehilahy miisa 2 voalaza fa nitondra antsy lava no nanatanteraka izany tao anatin’ilay taxibe. Niakatra teo amin'ny Station Total Bel Air izy ireo ary tsy nety nipetraka teny amin'ny toerana malalaka fa namonjy ilay olona voaendaka io. Lehilahy bokona izay tena ngeza sy lehilahy mahia efa lehibe raha taonany izy ireo. Noteren'izy ireo tao afovoany ilay olona hoy ny fitantarany ary rehefa tery dia nambanan'ilay somary kely tamin'ny antsy ny kibony no sady notereny mba hamoaka ny vola sy ny finday tao anaty poketrany. Ilay iray ngeza kosa nandritra izany manakona ny olona tao anatin’ilay taxibe. Rehefa azon'ireo tsy mataho-tody ny vola sy ny finday tany aminy dia lasa izy ireo . Miantso ireo olona mpitaingina taxibe rehetra ity olona lasibatra ity noho izany mba samy hitandrina. Raha araka ny nambarany dia niezaka ny nitady vonjy tao amin’ny toby miaramila izy saingy tsy nisy niraharaha.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.