airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2024

Distrikan’i Benenitra

Misesy ny vono olona mahatsiravina

Sample post image

Tahaka ny faritra maro eto amin’ny Nosy, dia tsy milamina amin’ny lafiny

17-janv-2024

fandriampahalemana ao amin’ny Distrikan’i Benenitra, faritra Atsimo amin'izao fitoana izao satria nisy. Lehilahy iray antsoina hoe Sovery nisy nitifitra, ary mbola novelesina taminy famaky tao Besokaky Fokontany Bevatry Kaominina Ambanivohitr’i Benenitra ny tolakandron’ny 02 janoary 2024 lasa teo, hoy ny tatitra. Ny marainany 14 janoary lasa teo indray kosa dia nisy Ramatoa anakiray tao amin’ny Fokontany Andranata Kaominina Ambanivohitr’ Ianapera distrikany BENENITRA ihany koa mbola Maty novonoin'olona tamin’ny fomba feno habibiana. Miangavy ny Fanjakana foibe mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny distrikan’i Benenitra noho izany ny vahoaka izay mihorohoro tanteraka vokatry ny tsy fandriampahalemana izay mitranga matetika.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap