nanomboka ny volana Janoary teo ka hatramin’ity volana desambra 2022 ity, tatitra navoakan’ny polisim-pirenena. Miisa 226 tamin’ireo no tanteraka ka 15 kosa ireo voasoroka mialoha. Ny faritra Analamanga sy Menabe ary Atsinanana no nahitana taha ambony indrindra raha ny faritra Analanjirofo sy Betsiboka ary Sofia no nahitana tranga mihiba indrindra. Nahatratra 11 kosa ny trangana fakana an-keriny niseho. 1.290 ireo olona voasambotra mahakasika izany ka ny 27 kosa no namoy ny ainy. Mahakasika ny zava-mahadomelina indray dia alikaola frelates 4.024 litatra no tra-tehaka tany Menabe sy Atsinanana. Cannabis milanja 448, 50kg no sarona tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy . Milanja 149, 62 g kosa ny heroine, mitontaly 88,6g raha 4,4g ny métamphétamine . Paraky gasy 320g ihany koa no tratra. Miisa 670 indray kosa ny trangana fitorohana voarain’ny Sampan-draharaha « cybercriminalité » ; 378 no voakirakira. Miisa 335 ireo olona voasambotra sy nanaovana fanadihadiana ka taorian’ny fanadihadiana sy fanolorana ny fitsarana dia 115 ireo naiditra am-ponja vonjy maika raha 220 kosa no nahazo fahafahana vonjy maika.
Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.