Fantatry ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ity sampana ity ny fisiana fiara mazda iray avy any amin’ny faritra izay voalaza fa mitondra zava-mahadomelina. Natao avy hatrany ny fanaraha-maso ilay fiara ary nosavaina ka tra-tehaka tetsy Iavoloha izy io izay avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ary miasa mampitohy an’Antananarivo renivohitra. Rehefa natao ny fizahana dia hita tao amin’ny fitoeran’entana tao anaty harona plastika mbola tao anaty gony ny rongony (cannabis) milanja 10 kg. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo olona telo voasaringotra tamin'izany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isan’ny mpamatsy rongony ny eto an-drenivohitra izy telo ireto izay 42 sy 45 ary 50 taona. Tompon’entana sy ireo mpiara-misalahy aminy izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny 13 desambra teo izy ireo ary notanana am-ponja vonjy maika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mianadahy
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.