airtel

Fandriampahalemana

13-mai-2025

Famonoana an’i Raissa

Olona iray tazonina, tsy nanana lonilony taman’olona ny havany

Sample post image

Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana

13-mai-2025

an’Itompokovavy kely Raissa tao amin’ny Fokontany Antohomadinika Atsimo IVO hatramin’izay hoy ny sefom-pokontany ao an-toerana. Nilamina hatrany ny tanana hoy izy na dia misy aza ny indrokely indraindray. Hisy araka izany ny fepetra horaisin’izy ireo miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Hisy ny fanaraha-maso ny elakelantrano rehetra amin’ny alalan’ny fisafoana noho izany raha vantany vao hariva ny andro. Tsiahivina moa fa very tsy hita ny Sabotsy 10 May hariva teo i Raissa. Afak’ omaly Alahady tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany vao hita ny vatana mangatsiakany nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony ary nariany tany anaty dalle misy maloto, izay foseptikan’i Bebeny ihany. Fomba nahitana ny vatana mangatsiakany raha araka ny loharanom-baovao azo ny fanateran’ny namany niara-nanao tso-bato farany tamin’i Raissa taratasy tao an-tranony izay nilaza fa eo ampita ao anaty dalle no misy ilay zaza efa maty. Tsy fantatra na sora-tanan’iza izany na sora-tanan’iza izy io izay mbola hanaovan’ny mpitandro ny filaminana fikarohana. Efa tsy nisy akanjo intsony moa teny amin'ny vatan’io zaza fa niboridana tanteraka izy hoy Rtoa Marianne Reniny ka tsy fantatra intsony na sanatria voaolana ihany koa na tsia. Fantatra ihany koa moa fa nisy ny taratasy tao anaty gony nisy ny razana milaza fa "vita ny valifaty" ary mbola hiampy roa ireo olona hovonoin’ireo mpanao ratsy. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Miantso fifampiresahana ny Renin-dRaissa manoloana izany. Notsiahiviny moa fa tsy manana kakay na olana amin’ny olona eo an-tanana izy ireo. Olona iray moa no voalaza fa tazonina vonjimaika hanaovana fanadihadiana amin’ity raharaha ity. Alevina anio ny razana, raha ny fantatra. Ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony dia na inona na inona mety ho adin’ny samy lehibe na fankahalana dia ny ankizy tsy manan-tsiny ve no hanamparana habibiana tahaka izao ? Misesy ny famonoana zaza tsy ampy taona amin’ny fomba feno habibiana ao amin’ny 67 ha.
Pati Legende : Ilay zaza tsy manan-tsiny !

 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona

Card image cap
04-juin-2025

Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona

Card image cap
04-juin-2025

Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,

Card image cap