airtel

Fandriampahalemana

28-mars-2023

Fandriampahalemana

Famonoana mpamily taxi teny Amboditsiry Mpivaro-tena no nataon’ireo jiolahy fitaovana

Sample post image

Ela ny ela fa tratra ihany ireo andian’olona namono nahafaty mpamily fiara iray teny Ambodotsiry ny 23 martsa teo. Olona miisa 9 no tompon’antoka tamin’izany.

28-mars-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay antso ny Polisy miasa ao amin'ny sampana miady amin'ny heloka bevava sakelika fahaefatra fa misy fatin'olona eny Amboditsiry. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia nahitana tsatok'antsy ny fo sy ny tanan'ilay razana ary nahitana ratra maromaro ny tarehiny. Niroso tamin'ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka fantatra fa mpamily fiara karetsaka ity nisy namono ity ary tsy hita ny fiara izay noentiny. Rehefa natao ny fikarohana dia hita ireo nahavanon-doza izay fantatra amin'ny solon'anarana hoe : Nike, voasambotra ny talata 21 martsa teo Andrahavoangy niaraka tamin'ny vadiny ary mpivaro-tena miisa 04 sy lehilahy miisa 02 mpandray ireo entana halatra avy hangalariny izy ireo. Rehefa nentina nanaovana fanadihadiana izy ireo no nilaza fa i Lavakely ihany koa dia isan'ny nandray anjara tamin'izao vono olona sy halatra fiara izao. Ny 23 martsa teo no voasambotra teny Sabotsy Namehana i Lava-kely noho izany ka nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa sakanan'ireto vehivavy mpivaro-tena ireto ny fiara ka rehefa mijanona dia tonga i Lavakely sy Nike mamono ny mpamily. Fantatra ihany koa fa 700.000ar no nivarotan'izy ireo ny motera sy ny kodiarana 4 an'ilay fiara ary nariany teny Mahitsy kosa ny amkoatra izay. Ny 07 janoary teo no nivoaka ny fonja i Lavakely sy i Nike rehefa nisazy noho ny resaka fanendahana sy halatra moto.

Tsara ho marihina fa toa io tranga voalaza etsy ambony io no nangalaran'izy ireo ny fiara taxi '"super 5 " very tetsy Analamahitsy . Tsy voatery taxi ihany anefa fa mbola izy ireo ihany koa no nangalatra ilay fiara "Renault Express" ary namono ilay mpamily tany Ambohimanga, hoy hatrany ny fanazavana.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap