airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2023

Famonoana mpianaka tao Ambohimandroso

Olona roa no ahiahiana ho tompon’antoka

Sample post image

Olona roa hatreto no ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Claudia na i Koly izay vao 30 taona monja

12-sept-2023

niaraka tamin’ny zanany lahikely iray vao 3 taona sy tapany, tranga niseho tao Ambohimandroso, distrikan'Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny faran'ny herinandro lasa teo. Ny iray voalohany dia olona mpifanerasera akaiky aminy avy ao an-toerana ihany izay nanana olana taminy hoy ny loharanom-baovao azo ary namoaka vava ratsy taminy mialohan'izao nahafatesan’izy mianaka izao. Faharoa ny vadikelin’ny vadiny. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia efa nanao vava sy nifofo ny ain'izy mianaka ihany koa ity farany talohan'izao tranga izao ary efa nitsikilo ny toeram-ponenan'ireo niharam-boina mihitsy mihitsy. Nahitana tsindron'antsy telo ny tendan'i Claudia na Koly, ary ratrabe 1 teo amin’ny lohany. Ilay zanany lahy kely 3taona sy tapany kosa nokendaina tamin'ny lamba ka sty afa-nigiaka intsony. Ny marainan’ ny Alahady 10 Septambra teo moa vao hitan'ireo fianakaviany ny vatana mangatsiakan’izy mianaka raha voaroba ihany koa ny vola matiny tany anaty poketrany tamin’ny Sabotsy teo. Mpivarotra akanjo mantsy no asan’i Koly ary mandeha maraina izy isan’andro ka tsy miverina raha tsy amin’ny hariva. Any Behoririka izy no maka entana. Mbola nahitana soratra tamin’ny marker koa teo amin’ny rindrin’ny tranon’i Koly mianaka izay mbola nampitandrina sy nanao vava hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Alevina rahampitso Alarobia izy mianaka kely ireto !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap