airtel

Fandriampahalemana

29-nov-2024

FAMONOANA tovovavy kely 5 taona

Olona 03 no naiditra am-ponja, ny 02 ao Tsiafahy

Sample post image

Olona miisa 3 hatreto no fantatra fa naiditra am-ponja taorian’ilay famonoana zazavavy kely vao 5 taona

29-nov-2024

monja tany Anjoma Fianarantsoa. Ny 02 amin’ireo dia nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy avokoa izay samy lehilahy raha tazonina ao amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa ny iray. Eo ambany fanarahi-mason’ny Fitsarana kosa ny iray ambiny raha miisa 04 ny tontaliny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny Alahady 17 Novambra lasa teo no nanjavona tsy hita ity zazavavikely 05 taona ity. Ny ampitsonin’iny vao hita ny vatana mangatsiakakely izay efa nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony ary nariany teny amin'ny dabam-pako teny Anjoma Fianarantsoa ihany. Olona tsara sitra-pomoa no tonga nitoroka teo anivon'ny Kaomisaria Foibe ao Fianarantsoa nilaza ho nahita ny zava-niseho. Afak’omaly Alarobia 26 Novambra izy ireo no nohenoina teo anatrehan’ny Fitsarana.
Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely sy ireo roalahy namono azy nalefa eny Tsiafahy !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap