Dahalo an-jatony no voalaza fa nanao ny fanafihana, nangalatra omby hatrany amin’ny 50 isa. Tonga ara-potoana kosa ny mpitandro ny filaminana, nandeha ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy, nandeha ny fifandonana. T okony tamin’ny 12 atoandro no niseho ny fifampitifirana, saingy tsy naharesy tosika an’ireo dahalo ny mpanara-dia, hany ka nisy mpitandro filaminana lavo. Zandary iray sy miaramila kaporaly iray avy amin’ny Holafy faha-109 no namoy ny ainy, ary misy miaramila kaporaly iray hafa naratra mafy vokatry ny tifitra variraraka ka mila fandidiana, ary zandary iray ihany koa no voa mafy noho ny fianjerana. Nentina notsaboina eto Antananarivo ny mpitandro filaminana ireo, tonga ny 17 jona 2023 ary tsaboina eny amin’ny Hôpitaly CENHOSOA « Centre Hospitalier de Soavinandriana”. Miaramila kaporaly iray hafa mbola tsy hita popoka. Misy loharanom-baovao hafa milaza fa sivily iray ihany koa no namoy ny ainy, ary maromaro no naratra. Mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireo dahalo satria raha ny tombatombana tao anatin’ny fifanandrinana, dia manana basy kalacknikov Mas36 tsy latsaky ny 4 izy ireo ankoatra ny basim-borona. Andrasana moa ny fivoarany! Roa taona lasa, ny 24 jona 2021 dia efa nisy fanafihana mahery vaika mitovitovy amin’io tao Anjeze, ka dahalo 13 no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana, ary omby 60 no tafaverina. Tonga mialoha teo Andranomainty fokontany Ambaravaranala Kaominina Anjoma-Ramartina ny zandary 10 lahy ary raikitra ny fifandonana tamin'ny 1 sasany tolak'andro, nifanjevo hatrany amin’ny kizo Besakay, Manarilefokely,… Tena tsy mandry fahalemana ny vahoaka any an-toerana, ary rehefa zohiana dia tena mihantsy ady amin’ny mpitandro filaminana mihitsy ireo malaso. Toa miharo valifaty nomanina an-taonany aza, ary rehefa jerena dia tao anaty vanim-potoana nitovitovy ny fanafihana. Ao anatin’ny fotoana akaiky fety dia miakatra ny filàna omby ve sa antony hafa mihitsy? Any amin’ny fanakanana hetsika politika sady ampy isa no ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana fa any amin’ny fanenjehana dahalo tratry ny be noho vitsy raha ampitahaina sy alaina sary an-tsaina ny tranga tany Mandoto sy ny sary tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey