airtel

Fandriampahalemana

20-juil-2026

Fanafihana mitam-basy

tao Tsivatrinikamo

Sample post image

Nidoboka am-ponja ireo namono an'i Mahery

20-juil-2026

Naiditra am-ponja ao Antsirabe ireo lehilahy miisa dimy voasaringotra tamin'ilay fanafihana mitam-basy nitranga ny takarivan'ny Alatsinainy 29 Jona 2026, tao Tsivatrinikamo Antsirabe, Faritra Vakinankaratra, ka nahafatesana tovolahy iray 15 taona, antsoina hoe : Mahery, voatifitra teo amin'ny lohany, naharatrana renim-pianakaviana iray ary nahaverezana vola. Handeha hamonjy fodiana izy mianaka no nisy nanaraka tamin’ny moto avy ao aoriana ny fiara nentin'izy ireo ary niditra an-keriny tao an-tokontany misy ny trano fonenany ireo jiolahy ka tsy nihambahamba nanapoaka basy. Voalaza fa nisy nanapaka ny tariby tamin’ny andrin-jiro izay mitondra ny herinaratra mankao amin’ilay trano ka teo no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanatanterahana ny asa ratsiny ary tsy nisy nandeha avokoa ireo "caméra de surveillance". Taorian'ny fikarohana nataon'ny Polisin'ny SRPJ Vakinankaratra ka nampiasany ny fahaiza-manao manokana dia fantatra ny iray tamin'ireo jiolahy ary io no nahafahana nisambotra ireo namany rehetra. Natolotra ny Fampanoavana ny zoma 17 Jolay 2026 izy ireo, ka olona dimy no naiditra am-ponja. Mbola mitohy ny fanadihadiana ahafahana mikaroka ireo izay mbola voasaringotra amin'ity raharaha ity.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap