airtel

Fandriampahalemana

02-juin-2023

Fandriampahalemana

Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana

Sample post image

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

02-juin-2023

rah any fitantaran’ilay tovovavy izay namoaka ho fanta-bahoaka ny resaka voalaza fa nifanaovana. Nolazain'ity tovolahy ity fa tsy ampahafirin'ny efa nopotehany ity tovovavy tsy nanaiky hiaraka aminy ity, ary milaza fa tsy matahotra na iza na iza, tsy matahotra Kolonely i Joachim Soldat, raha ny hita tao anatin’ilay resaka. Misy hatramin’ny hoe: tsy hanompo firenena no ataony, fa hihinana ny volaben’ny Fanjakana isaky ny faha-18 volana,… "Tena ialako tsiny aminareo Promotion-ny, ianareo havany sy namany fa mety ve izao? Rehefa tsy nanaiky anao tompoko ilay vehivavy dia anjanony. Mpitandro filaminana ny anaranao fa tsy sivily, eny na sivily tsy manao toe-tsaina toy izao satria ny fitiavana tsy afaka terena”, hoy i RA Ndisa, ilay tovovavy nilaza fa norahonana. Rehefa niparitaka izany, dia nandeha ny kiana fa manaratsy endrika tanteraka ny mpitandro filaminana, ary tena tokony hamafisina ny fanadihadiana ara-pitondran-tena sy ara-tsaina na “enquête de moralité” amin’ny fandraisana azy ireny. Nisy ny fivoizana avy eo fa nisy niditra an-tsokosoko ny kaonty Facebook-n’ilay zandary, saingy mbola nodisoin’ilay tovovavy indray satria nambarany fa niantso azy sy niala tsiny I Joachim ka niangavy ny hamafana ilay resaka naparitaka saingy akory moa atao fa efa tonga teny am-pelantanan’ny vahoakan’ny Facebook. Nilaza hanao fanadihadiana ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny InfocomSeg , ary handray fepetra raha tena mitombina, ka asa izay hiafaran’ity zandary ity fa raha ny fitsaram-bahoakan’ny Facebook aloha dia efa vita. Ity tranga iray ity no niseho vahoaka fa mety mbola misy tranga hafa anyfa tsy hita satria tsy sahy mijoro ireo lasibatra noho ny tahotra na tsy te hisahirana tsotra izao.

Mampieritreritra lalina ny zavatra tahaka izao ary tokony tena hikaroham-bahaolana fa raha mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany no mampihorohoro vahoaka, ka inona intsony moa fa dia korontanna ara-piarahamoniana sy ara-tsosialy izany no hanjaka eto. Tokony ho faran’izay hentitra ny fepetra sy sivana handraisana polisy, zandary ary miaramila fa tsy hoe izay rehefa te hiditra dia raisina.Tsy hery sy vatana fotsiny ny asa mpitandro filaminana fa mila fahamatorana ara-tsaina sy fifehezan-tena mihoatra lavitra noho ny an’ny sivily.
Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap