airtel

Fandriampahalemana

10-août-2026

FANDRIANA

Olona 3 mianaka voaroba, 1 voatifitra

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

10-août-2026

any amin'ny distrikan'i Fandriana. Olona 3 mianaka handeha hody avy nivarotra no nosakanan'ny jiolahy mitam-basy miisa 2. Tao amin'ny kaominina ambanivohitr' Ambaniavaratra, distrikan'i Fandriana no nitrangan'izany afak'omaly Sabotsy 08 Aogositra tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Lasa tamin'izany avokoa ny vola sy ny finday niampy fahana maromaro. Voatifitra tamin'izany ihany koa ny iray tamin'izy 3 mianaka ka teo amin'ny tanany no vola raha vantany vao nanohitra ireo mpanao ratsy. Na izany aza tsy nisy aina nafoy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay naratra raha araka ny loharanom-baovao voaray.
Nangonin'i Pati
Légende : Santionany tamin'ireo fitaovana nampiasain'ilay mpanao ratsy !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap
20-oct-2026

Nisy 21.000 litatra indray saika hisy hanodina

Card image cap
20-oct-2026

saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody

Card image cap
20-oct-2026

Olona handeha hividy omby

Card image cap