Tsy eto Antananarivo ihany fa saika manerana ny faritra mihitsy no mirongatra ny asan-jiolahy. Tsy tanam-polo toy ny teo aloha intsony izy ireo fa efa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy ny sabatra lavalela mihitsy. Vao afak’omaly 06 jona tokony ho tamin’ny 08 ora alina ohatra dia nisehoana fanafihana mahery vaika tao amin’ny Fokontany Antanimalandy , sektera fahafito,eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Belobaka sy Amparihigidro , Faritra Boeny. Lehilahy miisa telo nitondra basy vita gasy sy sabatra lava lela maranitra no nanatanteraka izany ka trano fivarotana enta-madinika iray no nokasain’izy ireo nidirana sy norobaina. Tsikaritry ny tompon-trano anefa izany ka niantso vonjy ilay tompon-trano. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo Polisy misahana iny faritra iny nijery ny zava-misy ka vantany vao nahita ireto farany ny jiolahy dia nitsoaka ka tsy nahatondra intsony ireo fitaovam-piadiana nentiny ireo. Nanampy ihany koa ireo mpiara-monina nivoaka ny trano saingy tsy tratra intsony ireo mpanafika. Tsy nisy ny entana lasa sy voaroba vokatr’izany. Latsaka tamin'izany ihany koa moa ny basy vita gasy nampiasain’ireo mpanao ratsy niaraka tamin’ny kaskety .
Pati
Legende : Ireo fitaovana nampiasain’ireo mpangalatra tratra
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.