Hitan’ireo mpanendaka nikirakira io finday io teny an-dalana izy raha araka ny fitantarany. Efa nametraka paikady ireo mpanendaka nandritra izany ka narahiny soaman-tsara ity Ramatoa ity. Mbola nitohy nilalao ilay finday ihany anefa ity farany nandritra izany ka tao anaty taxibe no nanaovan’ireo tsy mataho-tody ilay opération. Niodina vetivety monja ilay Ramatoa dia nanjavona ilay finday teny am-pelatanany raha araka ny fitantarany. Vao novidiany 800.000 Ar anefa izany finday izany no sady misy ny sarin’ireo vady aman-janany. Toy ny nanonofy izy nandritra izany tranga izany. Raha tokony teny amin’ny 67 ha araka izany izy no niala ilay dia tonga hatrany Anosibe ary nitabataba tsy nijanona no sady nilalao tanana. Ilay mpamily sy ny mpanampy azy sisa no hany mba nampahery ity Ramatoa ity no sady nananatra ny hafa ihany koa mba tsy hilalao finday eny an-dalana na koa any anaty fiara intsony. Nomarihin’ilay mpamily moa fa marobe ireo mpanendaka miditra any anaty taxibe amin’izao ka mahavita manendaka sy manambana antsy mihitsy. Efa mahalala azy ireny tsara anefa ireo mpamily saingy noho ny tahony ny ainy dia tsy sahy miteny izy ireny. Anjaran’ny mpandeha araka izany no mitandrina ny fananany sy ny ainy. Pati Legende : Efa tonga any anaty taxibe amin’izao ny mpanendaka
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.