ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely tao anatin'ny herinandro nanaovan’izy ireo ilay hetsika mahery vaika nantsoiny hoe : hetsika fahalemana. Efa fantatra sady malaza mpanao asa ratsy mampihorohoro ny manodidina ireto bandy ireto. Tsy ao Ambohimangakely ihany fa tonga hatreto an-drenivohitra mihitsy. Voalazan'izy ireo fa indroa isan-kerinandro izy ireo no tsy maintsy manao opération farafahakeliny ary tsy maintsy mahazo na dia finday iray hendahina aza. Anisan’ny asa efa fanaony ny vaky trano anatin'ny Kaominina Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy. Ny fanafihana mitam-piadiana, ny halatra fitaovana ana fiara toy autoradio, ny batterie, ny jiro, ny pneus, sns... Toraka izany koa ny fanendahana eo amin'ny toerana antsoina hoe : Doany Fokontany Ambohibe, kaominina ambanivohitr’ Ankadikely Ilafy . Ny fanendahana eo amin'ny sampanana mankany Mahatsara Betsizaraina sy Alatsinainy Betsizaraina…..Ankoatra azy ireo dia niampy telolahy izy ireo no voasambotra izay mpandray, mpividy sy mpivarotra ny entana halatra azony. Efa nisy in-telo nigadra tany am-ponja koa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ry Banga sy ny ekipany !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey