airtel

Fandriampahalemana

17-juil-2026

Fanjavonana sy faty olona

Misesy indray! Ambadika

Sample post image

politika mamoafady...

17-juil-2026

Raha somary tonitony tao anatin'ny andro vitsivitsy, dia miha mitombo indray ny trangan-javatra hafahafa, dia ny fisiana olona manjavona, faty olona,... Omaly 16 jolay 2026, tsy latsaky ny 4 ny tranga, dia ny fahitana faty teny Tsimbazaza akaikin'ny valan-javaboahary vao maraina. Fantatra fa efa tsy nisy maso intsony io razana io, ary may ihany koa. Ahiana ho efa maty tany amin'ny toeran-kafa izy vao naterina teo ka nodorana avy eo. Misy moa ny petra-kevitra hafa hoe mety izy ihany no nandrehitra ny afo sy maty teo izay niankohoka no nahitana azy ka mety may no nahavoa ny masony. Misy kosa no miteny fa tena novonoina tamin'ny fomba feno habibiana entina hampihorohoroana. Raha ny loharanom-baovao azo mantsy, dia olona tsy manan-kialofana izy io, mpandehandeha amin'iny faritr'i Mahamasina sy Ankadilalana. Tena olona tsotra sy tsy mba nisy olana tamin'ny fiarahamonina satria efa 20 taona teo no nipetraka teny, fa dia ahiana ny natao fitaovana novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina mba hambolena horohoro sy fanakorontanana. Tranga hafa ny filazana tsy fahitana olona, dia zazavavy 15 taona antsoina hoe Razanatseheno Malala Hasambarana Patricia teny Ambohimahitsy. Tsy hita nanomboka ny 15 jolay tamin'ny 6ora sy sasany maraina rehefa nivoaka nividy zavatra. Voalaza fa efa nanao fampahafantarana tamin'ny mpitandro filaminana ny havany. Tovovavy kely antsoina Razafiarimalala Maminiaina Patrina, mponina ao Ambatomalaza Alasora ihany koa no nanaovan'ny Kaominina Alasora filazana omaly fa tsy hita nanomboka ny 12 jolay rehefa nivoaka ny nividy fahana, ka tsy nody intsony. Tsy hita nanomboka afak'omaly 15 jolay nanodidina ny tamin’ny 07 ora sy sasany hariva ihany koa Andriamasinavalona Ny Aina Liantsoa, ka teny Tanjonandriana Ambohimanambola no toerana nahitana azy farany, araka ny filazana nataon'ny zandriny,... Tokony hanao "soutenance" izy omaly maraina saingy tsy hita. Toe-javatra maneho ireny fa mbola misy ireo tranga izay toa misy ambadika hafahafa. Toa nisy fotoana somary tony andro vitsivitsy dia miverina tena mafana. Manamafy ny fisiana ambadika politika mamoafady mba hanehoana amin'ireo iraky ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Firenena Mikambana (ONU) izay manao iraka sy manara-maso ny toe-draharaha eto ny 13 hatramin'ny 19 jolay? Fifandrifian-javatra ihany koa ve ohatra ny famakiana Biraon'ny CENI tany Ambositra ny alin’ny Alarobia 15 jolay hifoha omaly alakamisy 16 jolay 2026 izay nahaverezana fitaovana informatika maro? Mampanontany ny zava-nitranga satria amoron-dalana ny toerana, ary akaiky ihany koa ny biraom-panjakana iray misy mpiambina, raha ny fanamarihana,...
HIVOAKA VE NY TENA MARINA ?
Andaniny, efa tena am-perinasa tsara ny Centre Opérationnel Anti-Enlèvement eny amin’ny Commissariat Central Tsaralalana. Tonga teny an-toerana nitsidika izany sy nandrindra ny fomba fiasa ireo lehiben’ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena, zandarimaria ary tafika afak'omaly. Tsara ny vokatra azo amin’ny fikarohana sy famerenana ireo zaza/olona very hoy ny tatitra ary hitohy tsy an-kijanona ny ezaka hiadiana amin'ny fahaverezana olona sy hiantohana ny fiarovana ny vahoaka manerana ny Nosy. Marihina fa 172 no fitarainana voarain’ny polisim-pirenena mahakasika fahaverezan’olona nomboka ny janoary 2026, raha ny tatitra ofisialy ny herinandro lasa teo. Ho an’Antananarivo sy ny manodidina ny 164 amin’ireo ; olona 81 hita soamantsara ; nisy olona 8 no efa vata mangatsiaka sisa no hita. Asa hivoaka ve ny tena marina momba izao zava-misy izao ? Efa somary nanaitra mba hisian'ny mangarahara ihany mantsy ny sehatra samihafa toy ny ara-pinoana (Fivondronamben'ny Eveka, FFKM) ny mba tena hivoahan'ny marina fa tsy ho very an-javony toy ny teo aloha. Asa nivoaka tamin'ny famotorana ireo olona tsy latsaky ny 8 voasambotra sy any am-ponja (2 teny Ilanivato, 1 teny Lazaina Avaradrano, 2 tetsy Tsaramasay, 3 tany Mantasoa) izay voarohirohy ho nangala-jaza ve ny marina sa mbola feno Misitery ? Tena nikotrika sy atidoha ve ireny sa tondro molotra? Manao ahoana ny fanadihadiana sy fanaraha-maso ny mety fampidirana vola avy any ivelany hamatsiana vola an'io?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap