airtel

Fandriampahalemana

31-janv-2023

Fandriampahalemana

Faritr’i 67 ha Olona ao an-tanàna ihany no manendaka

Sample post image

Mitaraina mafy ny amin’ny hafitsoky ny samy mpiara-belona ireo mponina etsy amin’ny Fokontany 67 ha.

31-janv-2023

Olona ao amin’ny Fokontany ihany mantsy no nambaran’izy ireo fa manendaka sy manao sinto-mahery ao an-toerana miaraka amin’ny antsy sy ny sabatra. Tsy misaron-tava ireo mpanao ratsy mandritra izany fa avy hatrany dia miseho tsy an-kitahotra ka ireo voaendaka indray no matahotra. Tsy sahy mampandre ny mpitandro ny filaminana izahay hoy ny Renim-pianakaviana iray sao sanatria hiverenany ka matiny eo. Na izany aza anefa hoy hatrany ity Renim-pianakaviana ity dia tokony hiezaka ny tompon’andraikitra hametraka polisy eo amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe eo amin’ny paositra, toerana izay fieren’izy ireo sy fanaovany ny asa ratsiny. Tsy mifidy fotoana moa ireo mpanendaka ireo manao izany asa ratsiny izany eny fa na dia amin’ny andro atoandro aza. Misy amin’ireo mponina ao an-toerana ihany koa moa no nilaza fa misy olona avy any ivelany ihany manampy ireo olona ao an-tanana manao izao asa ratsy izao.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby ireo mponina etsy amin’ny 67 ha amin’izao
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap