airtel

Fandriampahalemana

26-avril-2023

Fandriampahalemana

Fatin-jazakely hita teny Ankazomanga atsimo

Sample post image

Hosavaina avokoa ireo vehivavy eny amin’ny manodidina

26-avril-2023

Fatin-jazalahy kely vao teraka, mbola niaraka tamin’ny tadim-poitrany omaly no nisy nahita tetsy Ankazomanga Atsimo, kaominina Antananarivo renivohitra niaraka tamin’ny lamba maromaro ary nalefa tao anaty tatatra. Olona sendra handeha hiantsena no nahita azy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, natao tao anaty sachet plastika miloko mainty. Tohana avokoa ny fon’ireo Renim-pianakaviana teny an-toerana nahita ity trangan-javatra ity. Nisy ireo niteny fa mety irony ankizy mpianatra irony no Renin’io zaza. Mety ho narian’ny olon-tiany izy ary matahotra ireo Ray aman-dReniny ka lasa manaotao foana. Ao ihany koa ireo milaza fa mety ho olona eny amin’ny manodidina ihany no nahavanon-doza raha tsy ferana ihany koa anefa ireo avy lavitra. Ny hany loharanom-baovao azo farany omaly hariva dia fantatra fa hozavaina avokoa aloha ireo vehivavy eny amin’ny manodidina mba hahafantarana ny marina, fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra. Ankoatra ny olana ara-pitiavana mety mahazo ny tanora ankehitriny moa dia anisan’ny antony mety hamonoan’ireo vehivavy sasany tahaka izao ihany koa ny resaka fahantrana sy ny fahasahiranana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazakely sy ireo lamba niaraka taminy
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap